Raha nanontaniana ny hevitry ny tanora momban’ny lakroa JMJ dia hita taratra fa maro ny tanora no tsy mbola mahalala ny fototry ny lakroa JMJ . Hahafahantsika mitantara ny momban’ny lakroa JMJ voalohany indro hampatsihavina antsika fohifohy ny tantara momba izany. Manarak’ izay dia holazaina eto ny akon’ny famindrana lakroan’ny Tanora tany Nice ny 24 janoary 2015.

1- Tantaran’ny Lakroan’ny JMJ

Tamin’ny taona 1984 dia nankalaza jobily ny Fiangonana katolika izay nantsoina hoe “jobily fanavotana” na “jubilé de la Rédemption”. Nanapa-kevitra ny Papa Joany Paoly II tamin’izany fa hanangana lakroa lehibe iray vita amin’ny hazo eo akaikin’ny otely ao amin’ny Bazilika Md Piera.
Ary tamin’ny famaranana ny taon-jobily dia nitodika tamin’ny tanora avy ao amin’ny Centre International de Jeunes San Lorenzo ao Roma ny Papa Joany Paoly II ka nilaza tamin’ny zareo hoe : “Ry tanora malala, amin’izao famaranana ny taona masina izao dia ankiniko aminareo ny famantarana ny taon-jobily: lakroan’i Kristy! Ento eo amin’izao tontolo izao io lakroa io izay famantarana ny fitiavan’i Jesoa Tompo ny olombelona ary lazao amin’ny rehetra fa tsy misy ny famonjena sy fanavotana raha tsy ao amin’i Kristy maty sy nitsagan-ko velona”.
Tao aorinan’izay dia tsy zovina amin’isika intsony ny tantara fa nitsidika firenena maro ny Lakroan’ny JMJ ary nampiray hatrany ireo tanora n’aiza n’aiza naleany.