Ny hazo no vanon-ko lakana, ny ala naniriany no tsara. Ny zaza no tonga taiza, ny fanabeazana nomena azy no nahomby. Zava-dehibe tokoa eo amin-tsika malagasy ny fanabeazana, ka tsy mitandro vola sy harena, na hasasarana ny Ray amandreny mba hahatonga ny taranaka amam-parany ho olom-banona. Anisan’izany ny Ray aman-drenin’i Andry sy Domohina ka nampianatra azy ireo amin’ny sekolim-pinoana ary nampita tamin’izy ireo koa ny soa toavina malagasy. Vakansy ny andro ka nalefa hiala sasatra any amin’i dadabe sy nenibe any ambanivohitra izy mianadahy ary dia nafaraparana mafy eo amin’ny fomba fitenenana sy ny fahalalam-pomba. Ka anisan’izany ny hoe tsy mivatambatam-piteny eo imason’olona fa fomba fanajana iray izany. Ohatra hoe rehefa poritra te-hivoaka, fa ny olona tsy akoho, dia tsy fomba ny mivata- piteny hoe: « te-hipipy aho » fa tsaratsara kokoa ny hoe : « te-hirahira aho ». Nampahafantarana an’i nenibe àry ny fombafomba fiteny toy izany, izay nanabeazana azy ireo, satria moa izy no solon’i Neny. Indray hariva àry, fomba any ambanivohitra ny mitantara angano ho an’ny ankizy alohan’ny hatory ; reraka i nenibe ka lasa natory fa i dadabe no mbola nikorana niaraka tamin’ireo zafikeliny sy ireo ankizy mpifanolo vodorindrina . Natsiro ny sakafo ka nazoto homana ny ankizy ary nahery nisotro ranovola koa. Poritra mafy i Andry te- hipipy, ka nibitsibitsika tamin’i dadabeny hoe : « dadabe a, te-hirahira aho ». Efa alina ny andro hoy dadabe sady ny renibenareo efa matory ka aleo rahampitso maraina ianao mihira dia amin’izay henon’ny renibenao koa ka ho faly izy. Poritra mafy anefa i Andry ka tsy ariny intsony ka nanamafy tamin’i dadabeny izy hoe : « dadabe a, tena te-hirahira ho’aho zaho ». Tia zafikely i dadabe ary tsy te-hampalahelo azy ka hoy izy hoe: « eny rey anaka raha te -hirahira mafy ianao, dia manantona eto anilako, ary dia alefaso, kalokaloy malefaka ao anaty sofiko ao » ! Sarobidy tokoa ny fanabeazana, indrindra amin’ny ankizy mbola kely fa amin’iny fotoana iny no mbola mora mandray izy; toy ny tanimanga ka mora volavolaina ary ahavitana zava-tsoa tokoa. Manana ny soa toavina maha-malagasy antsika isika (fihavanana ohatra) izay tokony hovolavolaina sy hiainana tokoa indrindra amin’izao toetr’andro mihazakazaka izao, ka matetika adino fa ny anio no antoky ny ampitso. Anisan’ny fanabeazana sy fampitana ny soatoavina koa ny fampianarana sy fitenenana ny teny Malagasy; maro amintsika ray aman-dreny tokoa ny miezaka miteny malgasy eo anivon’ny fianakaviana. Mahafinaritra koa ny mahita ireo ankizy mandihy sy manao tsipy sandry amin’ny fety na fihetsiketsehana iarahan’ny Malagasy. Sady totorebika ny ankizy no finaritra ny ray aman-dreny ary faly ny mpijery. Zany tokoa ny zaza Malagasy, tsy manadino ny nentin-drazana na aty an-tany lavitra aty aza. Hankalaza ny fetim-pirenena isika amin’ny 26 jiona; fito amin’ny dimam-polo taona nahazoana ny fahaleovan-tena; fanaovana jery todika ny lasa ihany koa no sady fanatrehana ny ankehitriny. Aiza ho aiza ny fireneko ? Inona no nataoko sy ataoko ary andrasan’ny tanindrazana amiko ? Anjaran’ny tsirairay no mamaly izany eo anatrehan’ny eritreriny. Fa ny tsirairay n’aiza n’aiza toerana misy azy sy andraikiny dia manana adidy amin’ny tanindrazana. Toy ny tsintsina mitondra voantenina ka samy mitondra izay zakan’ny vavany hanamboarana sy hanatevenana ilay ankany iombonana . Koa aleo hery àry, fa sarobidy ny fandraisanao ny adidinao. Voankazo an’ala e, ka ny mamy atelomy, ny mangidy aloavy !

Etienne RAKOTOSON