TOKO TELO MAHAMASA-NAHANDRO

Ny telo matetika dia isa lazaina fa maneho fahafenoana. Isa masina koa, hono, hoy ny sasany. Ny Malagasy dia milaza fa ny toko telo no mahamasa-nahandro. Ary raha tsy ampy telo dia mitongilana ny vilany, ratsy ny nahandro, mitanila ny afo. Izany dia milaza fa ny fahaiza- manao, fahaiza-mitantana dia tsy miangatra, tsy mitongilana. Fampiasantsika ombieny ombieny io teny toko io. Ary fanaperana raha mitady toko, ka sendra vato. Raha resaka politika sy fitaizana ho antsika Malagasy, sahaza ny vahoaka, dia io toko io tokoa no teny tsara fampiasa. Ao anatin’ny Demokrasia, iombonan’ny tany tena demokratika rehetra, dia misy toko telo ny Fahefana : mpanatanteraka, mpanao lalàna ary mpitsara. Raha mifaningotra ireo, na mifampitsabaka, na tsy ampy toko iray dia efa azo lazaina fa fitondrana mirona any amin’ny jadona. Mbola ampian’ny Malagasy hoe : ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Misy ny fahalalam-pitenenana. Ary mitombo izao ny tambazotra- piaraha-monina, mandeha haingana, fa tandremana ny antsoina hoe : fakom-baovao ( fake news ), vaovao tsy marina, manoso-potaka. Ary tenierana ny zava-drehetra fa tsy manao tian-kano tsy tian-kano. Ny fifidianana madio, mangarahara, sy marina no miantoka izany rehetra izany. Izay mihoa-pefy dia misy ny Fitsarana tsy mitongilana. Tsy misy kandidàm-panjakana fa mitovy daholo ireo te ho fidina. Tsy azo atao izany ny mampiasa ny fitaovam-panjakana. Izay no mahatonga ahy nilaza teny am-piandohana fa ao anatin’ny Demokrasia dia misy zavatra mahavariana, tsy ampoizina nefa azo antoka, tahaka ny nahavoafidy an’I Emmanuel MACRON ho Filoham-pirenena Frantsay. Tsy ny fahatanorana no jerena fa ny fahamatoran-tsaina, mahalala tsara ny fiaraha-monina, fahaiza-mihaino sy fahaiza-manaja. Anti-panahy sy matotra, hoy ny Malagasy. Sao mahasodoka toa zozoro tanora, akondro maitso vololona : midokadoka toa tsy ho antitra, midoladola toa tsy ho faty.Ary tsy misy ny fanaperana satria saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan’izay hamarara. Toa ny zozoro mahitsy, fa telo rirany. Na izany aza dia misy koa ny telozoro mamoafady. Ny mampikatso sy mampandringa ny Firenentsika Malagasy ankoatran’ny tsy tan-dalàna, ny kolikoly ary ny tsy matimanota dia ny antsoiko hoe : telozoro mamoafady.

TELOZORO MAMOAFADY

Voalohany, ny fiaviana . Mbola mavesatra ara-piaraha-monina ny resa-poko sady saropady. Hita io eo amin’ny lafiny rehetra, ka ny Fitsarana tsy afaka manao ininona. Eny na ny Fiangonana aza indraindray. Raha voafaritra fa ny foko tatsy no nangalatra sy namono olona taroa amina foko hafa taroa dia misy fomba maro tsy maintsy arahina raha tiana ny handamina haingana ny raharaha. Misy olona voampanga fa nanodinkodim-bola an-tapitrisany ary miatrika famotorana ara-dalàna, dia tonga ny hafa iray fiaviana aminy na milaza ho izany, mitaky famotsorana haingana fa “Zanak’i…” io ka havoahay. Na ny fanendrena Ministra sns…dia miankina amin’ny fiaviana vao fahaizana matetika. Faharoa, firazanana . Misy ny avo razana sy iva razana. Andriana sy andevo. Tarazon’ny tantara. Izahay tsy manaiky entina andevo e. Ambany tanàna ireny e. Aiza ilay Malagasy reny, Malagasy iray, tsimisaramianakavy. Fahatelo, ny iraisam-pirenena . Tena efa zatra manompo vahiny na maka tahaka be fahantany ve isika Mlagasy ka na ny harem-pirenena amidy antsokosoko amin’ny vahiny. Kobaka am-bava ny hoe : miaro ny vahoaka, fa atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ny Malagasy indray no mifaninana milaza ho mpomba Frantsay, na mpomba Anglisy sy ny sisa. Toe-tsaina voazanaka ve izany ? Fa iza no mba mpomba ny Malagasy.Very fanahy mbola velona, toy ny valala voatango ; na mitebiteby to any sahona ambodiriana. Mbola mila fitaizana ho olom-pirenena vao ho tonga amin’izany hoe tena Repoblika izany Madagasikara izany, fa maka tahaka fotsiny ny aty ivelany hatramin’izao.Lasa fitaovana politika ny firaisam-pirenena, ary toa fialam-boly ny fihavanana fa tsy misy fototra. Miezaka isika mba ny toko telo mahamasa-nahandro no handresy. Dia ho Tany sambatra I Madagasikara. Hankalaza ny faha- 57 taona nitsingerenan’ny Fahaleovantenany.

Liva ELIASY