Previous Page  10 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 10 / 16 Next Page
Page Background

8

OlomBaovao N°118

« NY VAZAHA MODY MIADY,

FA NY MALAGASY MODY MIHAVANA »

Misaotra indrindra anao Eminence nanaiky hitafa vetivety

ho an’ny mpamaky ny takilam-pifandraisana « ISAN-TOKANTRANO » eto amin’ny

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile de France (FKMP).

Fa mamaky azy koa ny any an-tanindrazana

amin’ny alalan’ny Gazety LAKROAN’I MADAGASIKARA.

– Miarahaba anao Eminence. Andro lehibe tokoa ny Alahady 08

Jolay 2018 eto amin’ny FKMP, satria io no Lamesa malagasy

voalohany tarihanao amin’ny fomba manetriketrika. Ianao no

Kardinaly Malagasy fahaefatra. Ahoana ny fihetsem-ponao teo

ampandrenesana fa voatendry ho Kardinaly ianao ?

Faly miarahaba antsika rehetra amin’izao fihaonantsika mianakavy

izao aho ka itarihako Lamesa malagasy voalohany eto Paris

taorian’ny nanendrena ahy ho Kardinaly. Tsy nampoiziko ny

nanendrena ahy ho Kardinaly ka velon-tebiteby ary sahiran-tsaina

aho. Noraisiko ho antso avy amin’Andriamanitra io fanendrena io ka

dia am-pinoana no nandraisako azy. Mila miantehitra amin’ny

fahasoavany mandrakariva aho

Avy hatrany dia tsaroako ny teny ao amin’ny Taratasin’i Md Paoly

ho an’ny Korintianian 2 Kôr. 12, 9 manao hoe :

“Ampy ho anao ny

fahasoavako”

– Tsy ny Kristianina Katolika irery fa ny vahoaka Malagasy rehetra

no niandrandra izany Kardinaly izany. Tonga ihany ilay vaovao

lehibe nandrasana ny 20 May 2018, ary natao nandritra ny

Consistoire tao Rome ny 28 Jona 2018. Koa inona tokoa ny lanja sy

anjara toeran’izany Kardinaly izany eo anivon’ny Fiangonana

Katolika ?

Ankoatry ny fahafahana mifidy izay ho Papa rahefa tonga ny

fotoanan’izany ny Kardinaly dia mpanolo-tsainan’i Papa izany hoe

mpiara-miasa aminy akaiky kokoa. Azo lazaina fa manana ny maha

izy azy ny Fiangonantsika eo anatrehan’i Papa Ray Masina ary

mihamafy hatrany ny fifandraisana aminy. Manana anjara toerana

ihany koa isika eo amin’ny fandrafetana ny Fiangonana maneran-

tany.

– Ny Fiangonana dia mijoro vavolombelona eo anivon’ny

fiarahamonina. Marary ny fiarahamonina Malagasy. Sady efa

mahantra ny vahoaka Malgasy no ianjadian’ny herisetra sy

tebiteby isanandro. Tao amin’ny hafatra navoakan’ny

Fivoriamben’ny Evekan’I Madagasikara ny 12 Novambra 2015, tao

Antananarivo, dia izao no voalaza tao : “

Tsy misy intsony ny

fanajana ny soa iombonana, babon’ny fitiavan-tena ny

ankamaroan’ny Malagasy ka potika ny fiainana amin’ny lafiny

rehetra

” (III.2). Nahazo Kardinaly I Madagasikara izao, inona no

mety miova eo amin’ny famindra sy fihetsiky ny Fiangonana any

Madagasikara ?

Tiako marihina fa manana ny fomba fiasany ny fiangonana katolika

amin’ny firenena anankiray amin’ny alalan’ny Fivondronamben’ny

Eveka. Io Fivondronamben’ny Eveka io dia manana ny Biraony,

manana ny Filohany.

Ny fanapahan-kevitra rehetra rehetra izay itambarana dia miainga

amin’io « Conférence » na Fivondronamben’ny Eveka io.

Ny fisian’ny Kardinaly dia tsy manova io rafitra io fa vao mainka

manamafy azy. Antenaina ary fa raha miteny izahay dia hanongilan-

tsofina ny rehetra ary hiova famindra isika mianakavy.

Ta o

a n a t i n ’ ny

Ta on a

Ma s i n a

momb a

n y

“FAMINDRAMPON’ANDRIAMANITRA” no nivoaka io hafatra

io. Fa maninona, Eminence, no mikatso ny Fampihavanana any

Madagasikara nefa voalaza fa soatoavina Malagasy ny

FIHAVANANA ?

Mikatso ny Fampihavanana aty Madagasikara nefa SOATOAVINA

malagasy ny Fihavanana.

Ny fampihavanana dia tsy midika hoe : avela tsimatimanota ny

olona rehetra, manaraka izany tsy maintsy ao anatin’ny

fahamarinana no ifampiresahana fa tsy ao anaty fihatsarambelatsihy.

Mila mahatsiaro tena ny tsirairay fa nanao ny tsy mety tokoa aho ka

nanimba zavatra eo amin’ny fiarahamonina.

Raha tsy misy ireo fepetra voalaza ireo sarotra ny miresaka

fampihavanana : raha tsy izany dia hoy ny sangisangy zary tenany

manao hoe :

Ny Vazaha mody miady fa ny Gasy mody mihavana

.

– Farany, inona no hafatrao ho an’ny Malagasy rehetra satria azy

ianao, ary ho an’ny Katolika Malagasy manokana ?

Misaotra ny olona rehetra izay naneho fitiavana tamin’ny fomba

maro : nitrotro am-bavaka, nahafoy tena sy fananana.

Samy hiezaka isika mianakavy mba handresy marina ny zavatra

mampikatso ny firenentsika amin’ny alalan’ny FIBEBAHANA. Ho

tia tanindrazana marina. Aoka tsy hilamin-tsaina amin’ny fisian’ny

elanelana mampiteny ny moana eo amin’ny mpanana sy ny

mahantra.

Hitsodrano izay ezaka hataontsika mianakavy anie ny Tompo ary

samy ho salama mandrakariva.

Misaotra indrindra, Eminence, ary mirary fahombiazana hombam-

pahasoavana ho anao. Miandry ny fiverenanao ny Malagasy. Ho

tsara miverina e.

Tafa nifanaovana tamin’i ELIASY Liva

Takilam-pifandraisana

ISAN-TOKANTRANO (FKMP)

Natao teto Paris, Zoma 06 Jolay 2018