FIDIO JESOA

1/ Ny fahendren’Andriamanitra dia lehibe

F’Azy irery ny fahefana sy ny hery

Saingy tsy noesoriny ny fahafahan’ny olombelona

Hisafidy izay lalàn-kombany amin’ny fiainana (Ekl 15 : 17-18)

 

2/ Ny mason’ny Tompo amin’izay matahotr’Azy

Ny asan’ny olombelona hainy avokoa

Fa tsy misy nodidiany ho tsy tia fivavahana

Ary tsisy olona nomeny lalàna hanota (Ekl 15 : 19-20)

 

3/ Ny « enin’i Jesoa sy Maria » no ohatra ho antsika

Dia ilay « ENY » nanaiky an’Izy Ray an-tsitra-po

Ka nanao ny sitra-pony tao anatin’ny fahalemena

Fa nitondra famonjena ho an’ny olona tia azy.

 

Fiverenana :

Fidio Jesoa fa Izy no fiainana

Mba ho velona ianao sy ny taranakao (Deot 30 : 19b)

Miadia ny ady tsaran’ny finoana

Ary mahazoa ny fiainana mandrakizay (x 2) (Tim 6 :12)

https://www.youtube.com/watch?v=bO9aXX3SwdU&t=94s