Previous Page  12 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 12 / 16 Next Page
Page Background

VAOVAO

COMMUNAUTÉ CATHOLIQUE MALGACHE AIX MARSEILLE

10

OlomBaovao N°117

Ny lamesa dia isaky ny alahady faharoa sy fahatelon’ny volana, manomboka

amin’ny 3 ora sy sasany tolak’androka ny toerana dia ao amin’ny fiangonana

Immaculée Conception 8 rue de la Boucle Marseille 13012, izay arahina fiaraha

-miala hetaheta : fotoana ifampiresahana sy ifampizarana.

Ny communauté koa dia mandray anjara hatrany isaky ny alahady

voalohan’ny volana amin'ny émission «

Madagascar Aujourd'hui »

ao amin'ny

Radio RCF DIALOGUE, amin'ny 06h15 hariva hatramin'ny 07 orahariva.

Izany fandaharana izany dia mizara telo lehibe : ny vaovao mikasika an'i

Madagascar nandritra ny herinandro lasa, fotoam-bavaka « Esprit et Vie » ary

dossier social, ara-jeografia, litorjika na ara-tantara ka mifandray amin'i

Madagascar. Ireo sampanatelo CCMAM (chorale, tanora, ny mpikambana ary

ny adolantsento) no mifandimby mandray anjara amin'izany.

Jery todikany taona lasa 2017 :

23 aprily : Lamesa fanokafana ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny

CCMAM, narahina sakafo sy kitonotono.

15 mey : Takarivam-pianakaviana niaraka tamin’i Mompera Bethaz natao

tao amin’izokivavy Maolida. Teo koa no niresahan’i Mompera Bethaz

momba ny Rakibolana frantsay malagasy VITASOA.

10 jiona : Hetsika fitadiavam-bola sady fanohizana ny fankalazana ny faha

45 taona niaraka tamin’nyTarika Ndriana RAMAMONJY ;

18 jiona : Lamesa nankalazana ny faha 20 taona naha pretra an’I Mompera

Juvence RAMANAMBITANA

25 jiona : Fivavahana firaisam-pinoana ho an’ny tanindrazana ka ny

fiangonana loteriana no nandray.

30 jiona : Fandraisana anjaran’ ny communauté sy Mompera

RANDRIARIMALALA Jean Bosco tamin’ny lanonana fankalazana ny faha

-57 taonan’ny fahaleovan-tena natao tao amin’ny Consulat Général de

Madagascar tao Marseille.

9 jolay : Lamesa famaranana ny taona 2016-2017.

15-16 jolay : Fotoam-bavaka sy fialam-boly famaranan’ny Chorale

VOAFAFY ny taona natao tany amin’I Mompera Juvence tao Nimes.

17 septambra : Lamesa fanombohana ny taona 2017-2018

8 oktobra : Fifidianany filoha CCMAM sy filohan’ny chorale ary filohan’ny

tanora.

Filohan’ny CCMAM : Fanjamanana RANDRIANALIFERA

Filohan’ny Chorale VOAFAFY : Nadia ANDRIAMISAINA

Filohan’nyTanora : Larry RAZAFINTSEHENO

28-29 oktobra : Filan-kevitra nasionaly tany Toulouse, nandraisan’ny birao

vaovao sy birao teo aloha anjara.

18 novambra : concert évangelique nokarakarain’ny chorale niaraka

tamin’i TIAR.

9 desambra : Voady mandrakizay Sr Lucile RAZERISOA (Notre Dame de

la Salette) natao tany Soanindrariny. Ireto fikambanan-dry Masera ireto no

mikarakara ny fandraisana, ny litorjia, ny trano fivarotam-boky sy

sovenira ao Notre Dame de la Garde. Ka raha sendra mitsidika an’i Notre

Dame de la Garde ianareo dia tadidio fa misy masera mpiray tanindrazana

amintsika ao, ary matetika dia hita ao foana ry zareo.

17 desambra : Lamesa Noely ho an’ny communauté narahina seho Noely

nataon’ny ankizy, ny adolatsento ary ny chorale. Nofaranana tamin’ny

fiaraha-mialahetaheta.

24 desambra : Lamesa narahina fiaraha-misakafo.

Ny taona 2018:

6 janoary : Voady farany Frère Benega RAMAHEFASOA (Ordre

Hospitalier de Saint Jean de Dieu) natao teto Marseille, izay nandraisan’ny

communauté sy ny relijiozy lahy sy vavy anjara feno tamin’ny hira sy dihy

nandritra ny lamesa

14 janoary : Fankalazana ny faha-104 taonan’ny andro iraisam-pirenena ho

an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana. Nandraisan’ny

communauté vahiny maromaro anjara, samy nampiseho ny talentan’ny

fireneny avy ka ny communauté malagasy no nanokatra ny seho.

Nanotrona izany ny archevêque diosezy Marseille Mgr Georges PONTIER

sy ny Vicaire général Père Pierre BRUNET.

20 janoary : Raclette party nataon’ny tanora

21 janoary : Fivavahana firaisam-pinoana taom-baovao 2018 ka ny

fiangonana rahavavy protestanta no nandray.

27 janoary : Fiaraha-misakafo sy fifampiharabana tratry ny taona ary

fivoriam-ben’ny fiangonana.

03 febroary : Lasopy tongotr’omby nokarakarain’ny tanora hanampianany

ho enti-manana amin’ny zaikabe Lourdes

10 febroary : Récollection notarihin’I Masera lehiben’ny fikambanana

Sainte Trinité Sr Henriette RAZAFINDRAMANANA

Fandaharam-potoana ho avy :

15 aprily :Lamesa famaranana ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny

CCMAM

28 aprily : Concert annuel chorale VOAFAFY

29 aprily : Messe des Nations miaraka amin’ny pastorale des migrants

11-12-13 mey : Zaikabe lourdes

20 mey : Lamesa manamarika ny fanafoanana ny fanandevozana izay

andraisan’ny communauté anjara.

Ankoatra ireo dia misy fanasan’ny paroasy Aubagne sy Redon ny communuté

hanafana sy hitarika lamesa, fa mbola tsy voafaritra ny daty.

Contact :

RANDRIANALIFERA Fanjamanana

0671991356

fanjachristian@yahoo.fr