Previous Page  5 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 5 / 16 Next Page
Page Background

ADIDY TSY AN’OLON-DRATSY

3

Janvier - Février - Mars - 2018

Adidin’ny sinibe hono no miaritra ny mangatsiaka, adidin'ny

vilany no miaritra ny mafana. Fa adidin’ireo mahatsiaro tena kosa

ny manolotra sosokevitra enti-mandray anjara ho an’izay mahasoa

sy mahatsara ny tanindrazana

.

Ny hevitra tera-bary ka samy mamosaka ny ao ampony fa ny hevitry ny

maro tokoa no mahataka-davitra ary ny adidy tsy an’olon-dratsy. Koa

misaotra antsika izay nanoina ny antso fa voninahitra nomena an- tsobika

moa tsy azo atao am- patram- bary.

Ny hitsikitsika hono no tompon'ny dihy, ny vivy no tompon'ny rano, ny

railovy no tompon'ny feo; ny ray amandreny no tompon'ny fitenenena; fa

ianareo zoky zandry nasondrotry ny tany kosa no tompon’ny dinika sy tafa,

mahita ny madilana ho tentenina na ny indro kelin’ny mpandrafitra, entina

hanasoa sy hanatsara ny tanidrazantsika.

Tonga saina sy manontany tena tokoa isika hoe : inona no tsy ampy eo

amin’ny tanidrazantsika, ka mahatonga azy ho latsaka an-katerena toy izao ?

Ny harena ve ? Na ambon’ny tany na ambanin’ny tany, na an-tanety na an-

dranomasina: tsy latsa-danja amin’ny hafa izy ! Ny olona ve : toy ny tovolahy

mangata-bady ka sady taviny no volony ! Nefa indrisy fa lany vary manetsa,

ka mosarem-pahavaratra; mifako kitay merik’andro, ka mihehy fatana

amin’ny tono lozotra; mavo vava fararano, ka mitsiritra ny masaky ny olona.

Andriamanitra ve no omen-tsiny, sa Zanahary no omem-pondro; sa kosa

isika Malagasy no manao valala “Tsimahatafitena”, ka mitafy lamba tsy

antonona ? Sa isika no lozodozom-pahandro, ka ny atao ihany no

mankarary : setroky ny kitay nalaina ary main’ny afo nantsagana !

Kekerin’ny amboa kely tiana sa mpivaro-drano tratr’orana, ka enjehin’ny

atao !

Mila fandinihana, finiavana sy fikirizana ary ezaka goavana ny fanasoavan-

tanidrazana. Ary milaza miara mahita ihany aho satria

tsy takona afenina toa

ny tafika an-drefan-tanana

ireo fahavalo maro mety hisarika sy hamingana. Tsy

hanao bibilava misambotra androngo, ka manantena ny fahalavàny; na

hanao mpanankarena mila ady amin’ny ory, ka manatena ny hareny. Nefa

koa tsy hanao vorondolo miaraka amin’akoho, koa roahy io hiala any fa tsy

havanay. Fa kosa ho vorompotsy tsy mandao omby ary sarivazo tsy mandao

namana.

Samy manefa ny adidiny amin’ny fihavanana, fa izay tia vola loatra tsy

mahatana ny marina. Mifankatiava fa ny Havana ihany no Havana, ka tsy

misy ho tratry ny hafa tsy akory. Manaova toy ny fanirin’akondro, ka ny fohy

manotrona ny lava, ary ny lava maneloelo ny fohy. Mahaiza mifandefitra, ary

mahaiza mifandamina; fa ny isavorovoron-kilatoana ary ny ilaminana

hahitana ny rariny.

Koa hajao sy omeo voninahitra ilay an’ny tena, fa io no akoho maro atody sy

akondro mahia maro anaka. Fa raha tsaroan’ny mpivahiny hono ny

hamamin’ny fandraisana dia ny ravintoto sy anantsinahy mahatakalo hena;

ny vomanga sy mangahazo mahasolo vary ary ny trano bongo mahasolo ny

tranobe valo zoro. Fa mamy ilay tanindrazana nalatsahan’ny tavony !

Teny napetraka hono izany; “tsetsetra no anay fa ny tsitsitra anareo”; raha

raisinareo dia “avotra” fa raha tsy raisinareo dia “avitra”; toy ny “vahiny”, ka

raha raisinareo dia mitoetra, fa raha tsy raisinareo dia mitampody aminay

ihany. Trafon-kena ome-mahery, ka am-bava homana, am-po mieritreritra

Koa tsy hikely soroka isika fa hilofo sy hisikina fazotoana sy fikirizana

hatrany; atao hazakazaka ambany farafara ka samy

manao izay afany e ! Koa alao hery fa

tsy misy mafy tsy

laitry ny zoto; tsy misy sarotra tsy azo resena ary ny adidy

tsy an’olon-dratsy.

Koa ny irariana dia mba hitsimoka

izay nafafy, hamokatra izay nambolena ary hody

ventiny ny rano natsakaina. Koa ho voatavo feno

tantely, ho vonton’ny soa ho ampoky ny mamy ilay

tanindrazantsika !

Etienne RAKOTOSON

En effet, la question migratoire passe petit à petit à l’arrière-plan de nos

préoccupations alors que c’est un enjeu mondial. On a l’impression que l’on

n’aborde ce phénomène humain que comme un problème, sans se soucier des

causes de ces migrations, et de ce fait on déshumanise la relation à la personne

migrante. Cette attitude ne peut être que source d’injustice, de caricatures et

de souffrance de tous ordres ajoutées à celles que vivent les migrants qui

quittent leurs pays.

Le point de départ de notre réflexion fut le message du pape François qu’il a

écrit pour la journée mondiale du migrant et du réfugié 2018. Dans ce texte, le

pape articule sa réflexion autour de 4 verbes : accueillir, protéger, promouvoir

et intégrer. Une expression est également utilisée par le pape, qui l’a reprise

dans un autre document, l’hommage du pape aux migrants, lutteurs

d’espérance, prononcé le 1er octobre 2017 à Bologne : Don. Ce mot nous a

amenés à nous interroger. Comment, dans l’accueil vécu avec Welcome, les

migrants sont-ils un don, un don de Dieu ? Après une méditation sur le don

de Dieu dans l’évangile de la Samaritaine (Jn 4), les participants se sont

séparés en 2 groupes pour échanger sur ces thèmes.

Accueillir :

ceci est évident pour les familles engagées dans le programme

JRS-Welcome qui ont franchi le pas de l’accueil, mais ce n’est pas sans

questionnements sur le sens de cet accueil et de l’hospitalité offerte.

Notamment, il convient de trouver la bonne distance, accueillir les

demandeurs d’asile comme ils sont et non comme on désirerait qu’ils soient.

On est une étape dans le parcours du migrant, ce qu’il va devenir ne nous

appartient pas. On doit se dire qu’il est appelé à repartir.

Protéger :

cette notion revêt un sens différent selon que l’on est homme ou

femme, dans l’aspect maternel ou paternel de la notion de protection.

L’hospitalité offerte est déjà une forme de protection par rapport au risque de

se retrouver à la rue.

Protéger les accueillis c’est peut-être aussi leur ouvrir les yeux sur les réalités

et les difficultés de notre société.

Promouvoir :

c’est être à l’écoute, être capable de reconnaître que le

demandeur d’asile a des capacités, des qualités, l’aider à envisager son avenir.

Promouvoir cela, c’est l’aider à redémarrer, c’est l’aider à adapter ses capacités

aux réalités de notre pays.

Intégrer :

Ce qui est vécu dans les accueils est une étape vers l’intégration.

C’est ouvrir le champ du possible en proposant l’apprentissage du français ou

des activités. Mais la question de leur statut futur est présente.

Qu’adviendra-t-il s’ils n’obtiennent pas le statut de réfugié ?