Previous Page  3 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 3 / 16 Next Page
Page Background

« CHOISIS LA VIE »

« JESOA : LALANA, FAHAMARINANA SY FIAINANA »

Août - Septembre - Octobre - 2018

OlomBaovao N°118

1

Nomena ahy ny teny fampidirana, ka raisiko an-

kafaliana fa zavadehibeny fihaonantsika teo

Lourdes !

Tao Lourdes isika, fa tanàna nofidin’i Masina Maria

mba hanolotra antsika

hafatra

feno lanja sy mba

hanoro làlana harahina, tsy inona izany fa ny hifidy

an’i Kristy dia hoe: «

Choisis la Vie

»

!

Mpivahiny

i Masina Maria nandritra ny fiainany

manontolo. Niala tao Nazareta izy mba hankany

Betilehema ka hanomezany antsika an’i Jesoa

Zanany: Fiainan’izao tontolo izao!

Mpivahiny ihany koa isika izay nankany Lourdes

mba hanatanteraka ny «

Zaika be

» izay sady D

ia

no

Fihaonana

mba hahazoantsika ny « Aina » :

« Choisis la Vie » ! «

Sinoda

»

ihany koa ny Zaikabe

satria sady làlana iombonana amin’ny namana maro

(1.200 mahery isika) no fandinihana ny làlana

tokony harahina.

Mission

, na

iraka

izao fihaonantsika izao dia hoe:

irak’i Jesoa Kristy isika ka mandray handraikitra eo

amin’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly na amin’ny

teny na ny toe-piainana ka hanjary vavolombelon’I

Kristy izay

Làlana, Fahamarinana sy Fiainana!

Fiangonana ihany koa

isika, izany hoe tsy olona

irery fa fianakaviambe iray , na tafika miara-mizotra

amin’ny kristianina rehetra tahaka ireo roalahy

miditra ny ala: sady toky ho ahy no toky ho azy.

Ka iza no mpitari-dalana antsika? I Masina Maria

izay sady

Renin’I Jesoa sy Renin’ny Fiangonana

no

Làlana

mankany ami’i Jesoa :

Làlana, Fahamarinana

sy Fiainana!

Mpivahiny isika

eto Frantsa mpanara-dia an’I

Kristy sy i Masina Maria ka tokony ho mpitari-

dalana an’ireo mpiray dia amintsika na ato Lourdes

na any an-toerana misy antsika (eto Frantsa na any

Madagasikara) ary ataontsika an-kafaiana izany!

«

Fidio ny Fiainana

! ».

Père BETHAZ sj