Previous Page  10 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 10 / 16 Next Page
Page Background

8

OlomBaovao N°119

Conférence des Évêques de Madagascar

SECRETARIAT DE COORDINATION

102 bis, rue Cardinal Jérôme Rakotomalala

BP. 667

Antanimena Antananarivo – 101

Ry havana malala,

Harem-panahy nentin’ny JMJ MADA 9

Tontosa soa amantsara iny JMJ nasionaly tany Mahajanga iny. Izay nanamarihana ihany koa

ny faha roapolo taonany teto amintsika (1998-2018). Isaorantsika Andriamanitra. Nitondra

vokantsoa hoantsika rehetra, indrindra ho an’ny tanora ny fandinihana ny lohahevitra hoe :

« Aza matahotra ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao. » (Lk 1, 30). Namokatra tokoa satria

niainga tamin’nytraikefa sy fomba fiasa efa matipaika : Eokaristia, sakramentan’ny

fampihavavana, alimbavaka, Katesizy, Làlan’ny Hazofijalina, fifanankalozana sy

fifampizarana … iny JMJ iny.

Mankasitraka manokana ny diosezin’i Mahajanga nandray sy ny VPKT niara-nanomana.

Niampy indrindrakoa ny firaisankina sy ny fifanomezan-tànanan’ny fianakaviamben’ny

tanora niara-nanao iny fivahinianana masina iny.

Samy nidera ny fahafoizan-tenan’i Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekan’i

Mahajanga isika. Na dia tao anatin’ny tsy fahasalamana aza izy tamin’ireny fotoana ireny dia

tsy nisaraka tamin’ny tanora ary nanome fampianarana mafonja tamin’ny Eokaristia

fanirahana.Niara-dia tamin’izy ireo isanandro koa izahay ary nametraka hafatra hoe : “Ry

tanora ô,

tianay ho tsapanareo fa ny Eglizy dia Reny tia anareo, matoky anareo ary vonona hihaino sy

hiahy anareo. Ao ampon’ny Eglizy tokoa ianareo ka izany no nanaovany Sinaody manokana nandritra

iny volana oktôbra inytany Roma, niompana amin’ny lohahevitra hoe “ny tanora, ny finoana, ary ny

famantarana ny antson’Andriamanitra”.

Harem-panahy lehibe azo tsapain-tànana no azonareo tanora nandritra ny JMJ MADA 9.

Nisongadina indrindra tamin’izany ny hafaliana, ny fiombonam-piainana, ny fitiavam-

bavaka, ny fahaizana mihafy, niatrika ireo zava-tsarotra tamin’ny fandaminana ny olona

marobe mihoatra ny efatra alina. Tsapa ny fahamatorana sy ny fahaizanareo

mifampitsimbina. Ary ny fifampizaranareo am-pahatsorana nytao am-po tamin’ny

fametraham-panontaniana samihafa. Voandalana nentinareo nody ny hafatry ny Papa

Fransoa manao hoe :

“Mandehana mitory amin’ny olona rehetra fa tia antsika i Jesoa ary raha

miaraka aminy dia ho foana ny tahotra rehetra. Tanteraho ny nofinofinareo ary miaraha miasa

hanorina ny hoavinareo sy ny hoavin’ny firenenareo amin’ny fikatsahana mandrakariva ny soa ho

an’ny tsirairay sy ho an’ny hafa”.

Tahotra sy Fahadisoam-panantenana

Nifarana ny JMJ. Niverina amin’ny toerana niaviany avy ny rehetra. Efa tafiditra tao

anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ny malagasy rehetra.

Nisokatra ny mason’ny tanora, notsilovin’ny fahazavana voaray tao amin’y JMJ, ka nametra-

panontaniana maro : Hahita rariny ombam-piadanana tokoa ve ity firenentsika ity ? Hiverina

amin’ny tena hasiny ve ny soatoavina malagasy ? Mbola mendrika hitokisana ve ireo Ray

aman-dreny any anatin’ny fiaraha-monina any ? Toa ny fitiavan-tena mantsy no tena manjaka

amin’ity firenena ity fa tsy ny fijerena ny soa iombonana. Ny vola no andriamanitra tompoina

Tsapan’ireo tanora ireo araka ny fifampizarananataony fa mitombo tsy tambo isaina ny

fahasahiranana eto amintsika. Toa lian-drà ny vahoaka ka mihamitombo ny ady, sy ny tsy

fandriam-pahalemana,tonga hatrany amin’ny fifamonoana,na antanàndehibe na

ambanivohitra.

Raisinay Eveka ny tebiteby sy ahiahin’ireo tanora zanantsika ireo ka mitodika amintsika Ray

aman-dreny sy olon-dehibe natao ho modelim-piainana sy hananatra izahay : Toa Ray aman-

dreny miady sy mifanilika eo imason’ny zanany hita. Mifanao valala an-karona : tsy

mifankazo, mifanenjika, mifampitory, tsy mifanaja amin’ny teny tsy voahevitra.Toa tanteraka

ilay fitenenana hoe : « ny ray aman-dreny no miady,ny ankizy no voatorotoro ».

Potika ny soatoavina maha malagasy, maty ny marina, very ny zo aman-kasina maha olona

ny maro. Simbain’ny mpanao politika ny toe-tsain’ireo olon-tsotra. Maha lasa saina ny nahita

volabe tsy fantam-pihaviana nampanontany ny ory tamin’ireny fotoanan’ny fampielezan-

kevitra ireny. Fa nahoana loatra re?

Ny fiombonan’ny fianakaviana no andrandraina nefa politikan’ny fifanaratsiana sy

fampisarahana no misongadina. Very ny fahaizana mifanakalo hevitra mitondra amin’ny

teny ierana eo amin’ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tsaroanay etony

tenin’i Lucien Botovasoa olontsambatra, tamin’ireo mpanao politika tamin’ny tamin’ny

fotoan’androny : “

miaina amin’ny lainga ny politikanareo ka ho rà no hiafarany

”.

Hoykoa ny Papa Fransoa vao tsy ela akory izay :

« Zary natao kolo-piainana ny ady sy ny

fifamonoana, ka nampidina ambany dia ambany ny maha-olona, sy ny fahasahiranana tsy tambo isaina,

ary dia ho lian-drà tsy hahay mifandamina intsony ve isika ?.... Atsaharo amin’izay, fa rahefa mivavaka

isika, dia aoka ho fanorenam-piadanana fa tsy ho fandranintana ady no atao »

(Angelus, 11 novembre

2018).

Aza matahotra, efa nandresy an’izao tontolo izao aho.(Jn 16, 33)

Io voalazan’ny Papa io àry no entinay manainga antsika kristianina tsy ankanavaka sy

ianareo rehetratsara sitra-po eto Madagasikara :

Vonjeo re ity tanindrazana malalantsika ity.

Mankasitraka antsika vahoaka malagasy, nandray anjara mavitrika tamin’iny fifidianana

fihodinanana voalohany iny,na dia maro aza ny zavatra tsy tomombana. Hita taratra hatrany

ny fahendrena sy fahamatoran’ny vahoaka mandala ny fihavanana sy naneho ankalalahana

ny safidiny.

Miantso ny rehetra ho tony sy hilamina eo am-piatrehana ny ho tohiny. Manainga ny

tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hampanjaka ny fahamarinana sy ny mangarahara ary

hanaja ny tena safidin’ny vahoaka.

Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

« Matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho. »

(Jn 16, 33)

Ho an’ny Kristianina tsy ankanavaka sy ireo rehetra tsara sitra-po

Homba anareo anie ny Fiadanana !

Ka ho anareo izay ho voafidy amin’izany, dia hajao ny teny nomena ary tanteraho

ireo toetra natolotray anareo tamin’ny hafatra 29 mai 2018.

Raha mifanome tànana ampitokiana isika, ho velona ary ho ela velona i

Madagasikara, koa :

Hamafiso ny finoana an’i Jesoa nitsangan-kovelona, Mpanjakan’izao rehetra izao,

nandresy ny herin’ny maizina sy ny fahafatesana.

« Ho aminareo anie ny

fiadanana », hoy izy.

Zary voaary vaovao ao amin’i Jesoa ny olombelona ka

miverina amin’ny maha- izy azy.

Manapotika ny fiainana, tsy afahantsika mivoatra sy mametraka fiaraha-monina

mitondra amin’ny fampandrosoana ny mahaolona manontolo sy ny olon-

drehetra,ny tsy fijoroana amin’ny marina eo amin’ny seha-piainana rehetra. Koa

sahia mampanjaka ny marina.

Adidy masina ho an’ny Ray aman-dreny rehetra ny manampy nyzanany ary ho

an’ny olon-dehibe ny manao tantsoroka amin’ny tanora hiatrika ny hoaviny

amin’ny alalan’ny fametrahana indray ny soatoavina maha malagasy.

Hamafisina ny fanomezana toerana ny fifanakalozan-kevitra amim-panajana izay

mitondra amin’ny tena marina hikatsahana ny soa iombonana ho an’ny Firenena

manontolo.Làlana hahatongavana amin’izany ny Fanabeazana olom-pirenena

vanona (education civique). Ilaina ny fifampifehezana hentitra enti-manova ny toe

-tsaina efa lasa lomorina.

Mila ho dinihina tsara ny Lalàm-panorenantsika mba hiorina tsara sy ho matotra

ka hanampy ny tsirairay hanana ny tena fitiavan-tanindrazana izay mitaky

fahafoizan’aina manontolo.

Aza ekena mihitsy ny fanapotehana sy fanoloana ny kolontsaina iorenan’ny

soatoavana maha malagasy. Halaviro ny fivarotana ny harem-pirenentsika fa

masina ny Tanindrazana.

Famaranana

Hoy ny Papa ho an’ny tanora sy ho antsika mianakavy ihany koa : “

Maniraka

anareo aho ho mpitondra hafatry ny fiadanana sy ny fanantenana eo amin’ny fiainanareo,

eo amin’ny tanànanareo sy amin’ny toerana rehetra iainanareo sy iasànareo…Aoka tsy

hanirery ianareo, ny Eglizy dia Fianakaviam-be hahitànareo fanohanana sy fankaherezana,

any amin’ny paroasinareo sy ny fikambanana misy anareo, amin’ny alalan’ny vavaka, ny

sakramenta, ny fifankatiavana, ny fitantanan’ny pretra sy ireo mpino hafa vita batemy”.

Hankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika katolika, hiditra amin’ny vanim-

potoanan’ny fihavian’ny Tompo, ary hankalaza ny Noely sy ny Taom-baovao

2019, koa enga anie hitondra ainga vaovao hoantsika mianakavy izany, ary ho

mafy orina ao am-pontsika fa

« i Kristy dia efa nadresy an’izao tontolo izao ».

Ankinina amin’i Masina Maria, mpiaro an’i Madagasikara sy ireo Olomasina sy

Olontsambatra zokintsika ny fiainantsika manontolo.

Mitso-dranao anareo izahay Evekanareo.

Natao teto Antananarivo

Anio 22 novambra 2018

Fetin’i Mb Cécile, Virjiny martiry

Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,

Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara,

Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra,

Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly,

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,

Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo,

Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Fulgence RABEONY Arsevekan’i Toliary,

Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé

Mgr Rosario VELLA, Evekan’Ambanja,

Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka,

Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana,

Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe,

Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano, Administrateur Apostolique-

n’i Mahajanga.

Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Mgr José Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,

Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana, Administrateur Apostolique-n’i

Moramanga.

Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Mgr Michel MALO, Archevêque Emérite d’Antsiranana

Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr Antonio SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava

Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

RP Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain-n’i

Tsiroanomandidy