Previous Page  6 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 6 / 16 Next Page
Page Background

4

OlomBaovao N°119

mihena tanteraka ny fahefa-mividy. Tsy afa-mianatra ny

ankizy raha sendra misy saram-pianarana aloa. Manjaka ny

ratsy satria tany tsy tan-dalàna. Vesarin’ny kolikoly ny

vahoaka. Rehefa tsy manam-bola dia vita eo. Raha misy

indray toa manao kolikoly vao mahazo izay anjara ilaina.

Mitebiteby fa maizina ny ho avy. Very fanahy mbola velona

toy ny valala voatango.

Tahotra

Ny tebiteby mivadika tahotra tsy ahafahana mihetsika. Ny

tahotra dia vokatry ny ahiahy amin’ny loza mitaotao na mety

hihatra. Mahatsiaro fa tsy ampy fiarovana, tsy manana hery

enti-manohitra. Tsy sahy mandray andraikitra na mandroso.

Sao ho avy ny mpangalatra. Tsy lazaina intsony ny hala-tany

Horohoro

Rehefa mitambatra ny tebiteby dia lasa horohoro. Ny

fahantrana toa lasa fampihorohoroana tsy havitan-javatra

intsony. Na ny fisainana aza simba ka marary na potika ny

fiaraha-monina. Tsy tanan-kandrangotra, tsy tongo-kitsipaka,

dia ho sanatria ve ny todin’aina sisa no andrasana.

Tsy izany akory ny politika fa fanatsarana sy fampivoarana

ny fiainam-bahoaka ao anatin’ny fitsinjovana ny soa

iombonana. Maharay ny lafin’ny rehetra ara-piaraha-monina,

ara-toe-karena. Lanja miakatra tokoa ny fiainana.

Ny hanafoana ireo no atao voalohany dia miverina tsikelikely

ny fahatokisana ara-politika. Ny fifidianana madio sy

mangarahara ara-pahamarinana dia efa azo tarafina toy ny

latsabato-pitokisana. Miainga amin’izay ny fanantenana. Ny

fahakiviana tsy maharesy fahantrana velively fa ny

f ahasahi ana hi ady amin’ny t sy

fahasahiranana. Mahay mifampihaino sy

mifampitsimbina ary malalaka ny

fandraisam-pitenenana ao amin’ny haino

aman-jerim-panjakana. Mila mifanasina ny

s amy -Ma l a ga s y , mi f ampa ha t o k y .

HASAHIA MITOKY.

ELIASY Liva

MOA MBA FANTATRAO ?

Fanamarihana : kely ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy – Faible taux de participation

1 – FARITANY NANDRESEN’I ANDRY RAJOELINA

ANDRY RAJOELINA

5 : Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina, Toliary, Mahajanga

MARC RAVALOMANANA

1 : Antananarivo

2 – FARITANY NAHAZOAN’I ANDRY RAJOELINA VATO BE INDRINDRA ARAKA NY TAHAM-PAHAVITRIANA

ANTSIRANANA

232 204

80, 60 %

3 – FARITANY NAHAZOAN’I MARC RAVALOMANANA VATO BE INDRINDRA ARAKA NY TAHAM-PAHAVITRIHANA

ANTANANARIVO

1 077 520

64, 31 %

4 – DISTRIKA NANOME VATO BE INDRINDRA IREO KANDIDA

ANDRY RAJOELINA

Mananara Avaratra

93, 29 %

MARC RAVALOMANANA

Andramasina

89, 94 %

5 – FARITRA KELY DISTRIKA INDRINDRA

BONGOLAVA

2 : FENOARIVO BE sy TSIROANOMANDIDY

6 – FARITRA BE DISTRIKA INDRINDRA

ANALAMANGA

13

7 – DISTRIKA BE MPIFIDY INDRINDRA

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO

335 608

8 – DISTRIKA KELY MPIFIDY INDRINDRA

BENENITRA

15 520

9 – ISAN’NY MPIFIDY VOASORATRA ANARANA AO AMIN’NY LISITRA

MAY 2018

9 913 599

FEBROARY 2019 (Vonjimaika)

10 154 639 nitombo 2, 53 %

Loharano : CENI / HCC