Previous Page  5 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 5 / 16 Next Page
Page Background

TE-HIRAHIRA

AHO... !

3

Avril

-

Mai

-

Juin

-

2017

Ny hazo no vanon-ko lakana, ny ala naniriany no tsara. Ny zaza no tonga taiza, ny

fanabeazana nomena azy no nahomby.

Zava-dehibe tokoa eo amin-tsika malagasy ny fanabeazana, ka tsy mitandro vola sy

harena, na hasasarana ny Ray amandreny mba hahatonga ny taranaka amam-parany ho

olom-banona.

Anisan'izany ny Ray aman-drenin'i Andry sy Domohina ka nampianatra azy ireo

amin'ny sekolim-pinoana ary nampita tamin'izy ireo koa ny soa toavina malagasy.

Vakansy ny andro ka nalefa hiala sasatra any amin'i dadabe sy nenibe any

ambanivohitra izy mianadahy ary dia nafaraparana mafy eo amin'ny fomba fitenenana

sy ny fahalalam-pomba.

Ka anisan'izany ny hoe tsy mivatambatam-piteny eo imason'olona fa fomba fanajana iray

izany.

Ohatra hoe rehefa poritra te-hivoaka, fa ny olona tsy akoho, dia tsy fomba ny mivata-

piteny hoe: « te-hipipy aho » fa tsaratsara kokoa ny hoe : « te-hirahira aho ».

Nampahafantarana an'i nenibe àry ny fombafomba fiteny toy izany, izay nanabeazana

azy ireo, satria moa izy no solon'i Neny.

Indray hariva àry, fomba any ambanivohitra ny mitantara angano ho an'ny ankizy

alohan'ny hatory ; reraka i nenibe ka lasa natory fa i dadabe no mbola nikorana niaraka

tamin'ireo zafikeliny sy ireo ankizy mpifanolo vodorindrina . Natsiro ny sakafo ka

nazoto homana ny ankizy ary nahery nisotro ranovola koa. Poritra mafy i Andry te-

hipipy, ka nibitsibitsika tamin'i dadabeny hoe : « dadabe a, te-hirahira aho ». Efa alina ny

andro hoy dadabe sady ny renibenareo efa matory ka aleo rahampitso maraina ianao

mihira dia amin'izay henon'ny renibenao koa ka ho faly izy. Poritra mafy anefa i Andry

ka tsy ariny intsony ka nanamafy tamin'i dadabeny izy hoe : « dadabe a, tena te-hirahira

ho'aho zaho ».

Tia zafikely i dadabe ary tsy te-hampalahelo azy ka hoy izy hoe:

« eny rey anaka raha te

-hirahira mafy ianao, dia manantona eto anilako, ary dia alefaso, kalokaloy malefaka

ao anaty sofiko ao » !

Sarobidy tokoa ny fanabeazana, indrindra amin’ny ankizy mbola kely fa amin’iny

fotoana iny no mbola mora mandray izy; toy ny tanimanga ka mora volavolaina ary

ahavitana zava-tsoa tokoa. Manana ny soa toavina maha-malagasy antsika isika

(fihavanana ohatra) izay tokony hovolavolaina sy hiainana tokoa indrindra amin’izao

toetr’andro mihazakazaka izao, ka matetika adino fa ny anio no antoky ny ampitso.

Anisan’ny fanabeazana sy fampitana ny soatoavina koa ny fampianarana sy fitenenana

ny teny Malagasy; maro amintsika ray aman-dreny tokoa ny miezaka miteny malgasy eo

anivon’ny fianakaviana. Mahafinaritra koa ny mahita ireo ankizy mandihy sy manao

tsipy sandry amin’ny fety na fihetsiketsehana iarahan’ny Malagasy. Sady totorebika ny

ankizy no finaritra ny ray aman-dreny ary faly ny mpijery. Zany tokoa ny zaza

Malagasy, tsy manadino ny nentin-drazana na aty an-tany lavitra aty aza.

Hankalaza ny fetim-pirenena isika amin’ny 26 jiona; fito amin’ny dimam-polo taona

nahazoana ny fahaleovan-tena; fanaovana jery todika ny lasa ihany koa no sady

fanatrehana ny ankehitriny. Aiza ho aiza ny fireneko ? Inona no nataoko sy ataoko ary

andrasan’ny tanindrazana amiko ? Anjaran’ny tsirairay no mamaly izany eo

anatrehan’ny eritreriny. Fa ny tsirairay n’aiza n’aiza toerana misy azy sy

andraikiny dia manana adidy amin’ny tanindrazana.

Toy ny tsintsina

mitondra voantenina ka samy mitondra izay zakan’ny vavany

hanamboarana sy hanatevenana ilay ankany iombonana

. Koa aleo hery

àry, fa sarobidy ny fandraisanao ny adidinao. Voankazo an’ala e, ka ny

mamy atelomy, ny mangidy aloavy !

Etienne RAKOTOSON

MOI DES MERVEILLES,

ES MERVEILLES !

La foi c'est la

confiance « en »

Dieu pour nous

laisser

guider

dans notre vie ,

car Il sait faire

pour nous des

merveilles:

en

s omme s - n o u s

conscients ? La

foi n’est pas la

solution à toutes

nos difficultés, à

toutes nos angoisses mais cela nous

aide à prendre conscience de nos

propres forces, à rechercher les

ressources pour surmonter les obstacles

qui nous fragilisent.

Et cette (res)source savons-nous mettre

un nom dessus, le même dans la joie

comme dans les épreuves S’émerveiller

c’est reconnaître l’œuvre de Dieu dans

sa création dont nous faisons partie :

sachons partager cette joie et soyons

reconnaissants des merveilles de nos

vies. Le Seigneur fit pour moi des

merveilles, Saint est Son Nom !

E TOUS LES JOURS

lieu de la vengeance , pour la parole

d'amour à la place de l'insulte , pour la

prière muette au coeur du drame de

l’autre.

Merci pour l'humble qui se tient à

l'ombre du puissant , pour l'inutile en

apparence, pour le bien qui jamais n'a

pu se dire , et pour les joies secrètes au

milieu des tourments.

José PERRIER

Robert RIBER