Previous Page  6 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 6 / 16 Next Page
Page Background

TOKO TELO MAHAMASA-NAHANDRO

SY NY TELOZORO MAMOAFADY

4

OlomBaovao N°115

TOKO TELO MAHAMASA-NAHANDRO

Ny telo matetika dia isa lazaina fa maneho fahafenoana. Isa masina koa, hono, hoy ny sasany. Ny Malagasy dia milaza fa ny toko telo no

mahamasa-nahandro. Ary raha tsy ampy telo dia mitongilana ny vilany, ratsy ny nahandro, mitanila ny afo. Izany dia milaza fa ny fahaiza-

manao, fahaiza-mitantana dia tsy miangatra, tsy mitongilana. Fampiasantsika ombieny ombieny io teny toko io. Ary fanaperana raha mitady

toko, ka sendra vato. Raha resaka politika sy fitaizana ho antsika Malagasy, sahaza ny vahoaka, dia io toko io tokoa no teny tsara fampiasa. Ao

anatin’ny Demokrasia, iombonan’ny tany tena demokratika rehetra, dia misy toko telo ny Fahefana : mpanatanteraka, mpanao lalàna ary

mpitsara. Raha mifaningotra ireo, na mifampitsabaka, na tsy ampy toko iray dia efa azo lazaina fa fitondrana mirona any amin’ny jadona.

Mbola ampian’ny Malagasy hoe : ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Misy ny fahalalam-pitenenana. Ary mitombo izao ny tambazotra-

piaraha-monina, mandeha haingana, fa tandremana ny antsoina hoe : fakom-baovao (

fake news

), vaovao tsy marina, manoso-potaka. Ary

tenierana ny zava-drehetra fa tsy manao tian-kano tsy tian-kano. Ny fifidianana madio, mangarahara, sy marina no miantoka izany rehetra

izany.

Izay mihoa-pefy dia misy ny Fitsarana tsy mitongilana. Tsy misy kandidàm-panjakana fa mitovy daholo ireo te ho fidina. Tsy azo atao izany

ny mampiasa ny fitaovam-panjakana. Izay no mahatonga ahy nilaza teny am-piandohana fa ao anatin’ny Demokrasia dia misy zavatra

mahavariana, tsy ampoizina nefa azo antoka, tahaka ny nahavoafidy an’I Emmanuel MACRON ho Filoham-pirenena Frantsay. Tsy ny

fahatanorana no jerena fa ny fahamatoran-tsaina, mahalala tsara ny fiaraha-monina, fahaiza-mihaino sy fahaiza-manaja. Anti-panahy sy

matotra, hoy ny Malagasy. Sao mahasodoka toa zozoro tanora, akondro maitso vololona : midokadoka toa tsy ho antitra, midoladola toa tsy

ho faty.Ary tsy misy ny fanaperana satria saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan’izay hamarara. Toa ny zozoro mahitsy, fa telo rirany. Na izany

aza dia misy koa ny telozoro mamoafady.

Ny mampikatso sy mampandringa ny Firenentsika Malagasy ankoatran’ny tsy tan-dalàna, ny kolikoly ary ny tsy matimanota dia ny antsoiko

hoe : telozoro mamoafady.

TELOZORO MAMOAFADY

Voalohany,

ny fiaviana

. Mbola mavesatra ara-piaraha-monina ny resa-poko sady saropady. Hita io eo amin’ny lafiny rehetra, ka ny Fitsarana

tsy afaka manao ininona. Eny na ny Fiangonana aza indraindray. Raha voafaritra fa ny foko tatsy no nangalatra sy namono olona taroa amina

foko hafa taroa dia misy fomba maro tsy maintsy arahina raha tiana ny handamina haingana ny raharaha. Misy olona voampanga fa

nanodinkodim-bola an-tapitrisany ary miatrika famotorana ara-dalàna, dia tonga ny hafa iray fiaviana aminy na milaza ho izany, mitaky

famotsorana haingana fa “Zanak’i…” io ka havoahay. Na ny fanendrena Ministra sns…dia miankina amin’ny fiaviana vao fahaizana matetika.

Faharoa,

firazanana

. Misy ny avo razana sy iva razana. Andriana sy andevo. Tarazon’ny tantara. Izahay tsy manaiky entina andevo e.

Ambany tanàna ireny e. Aiza ilay Malagasy reny, Malagasy iray, tsimisaramianakavy.

Fahatelo, ny

iraisam-pirenena

. Tena efa zatra manompo vahiny na maka tahaka be fahantany ve isika Mlagasy ka na ny harem-pirenena

amidy antsokosoko amin’ny vahiny. Kobaka am-bava ny hoe : miaro ny vahoaka, fa atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ny

Malagasy indray no mifaninana milaza ho mpomba Frantsay, na mpomba Anglisy sy ny sisa. Toe-tsaina voazanaka ve

izany ? Fa iza no mba mpomba ny Malagasy.Very fanahy mbola velona, toy ny valala voatango ; na mitebiteby to any

sahona ambodiriana.

Mbola mila fitaizana ho olom-pirenena vao ho tonga amin’izany hoe tena Repoblika izany Madagasikara izany, fa maka

tahaka fotsiny ny aty ivelany hatramin’izao.Lasa fitaovana politika ny firaisam-pirenena, ary toa fialam-boly ny fihavanana

fa tsy misy fototra. Miezaka isika mba ny toko telo mahamasa-nahandro no handresy. Dia ho Tany sambatra I Madagasikara.

Hankalaza ny faha- 57 taona nitsingerenan’ny Fahaleovantenany.

Gaga ny mpanara-maso poltika fa lany Filohan’ny Repoblika Frantsay I Emmanuel MACRON ny Alahady 07 May. Tanora

vao 39 taona fotsiny. Sady tsy mpikamba amina Antoko politika izy, no tsy olom-boafidy. Ny tany demokratika dia ahitan-

zava-mahavariana nefa azo antoka. Ary ny Nosy malalantsika I Madagasikara mba ahoana ?

Te hiaina ao anatin’ny fahafahana mateza isika rehetra. Ny tolona

politika rehetra dia mitaky izany na dia samy manana ny fomba

fijeriny avy aza. Ny mpandraharaha ara-toe-karena koa dia mitaky

fahalalahana. Tsy manaiky ny fitsabatsabahan’ny Fanjakana

amin’izany. Dradradradraina etsy sy eroa fa ny “Demokrasia’ ihany

no afaka miantoka fahafahana sy fampandrosoana mateza. Vitsy

anefa ny Firenena afaka milaza fa tena tany demokratika raha ny

sarin-tanin’izao tontolo izao no jerena. Tsy vita mora anefa izany

satria mila fifampitondrana ny ao anaty fiaraha-monina, raha tsy

izany dia Fanjakan’I Baroa. Samy manao izay tiany atao. Lomano

gana ka samy manao izay afany, na tantely afa-drakotra ka

anjakan’ny adala..

Liva ELIASY