Previous Page  6 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 6 / 16 Next Page
Page Background

TATITRA FILAN-KEVITRA NASIONALY 2017

4

OlomBaovao N°116

Ho anareo Pretra,

Ho anareo mpandrindra ny « communautés »,

Ry kristianina havana,

Noho ny fitahian’Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara ny filan-kevitra nasionaly natao tany Castenau Estremond (Faritra Toulouse)

ny 28 –29 OKTOBRA 2017 lasa teo. «communautés » miisa 15 no nahatonga solon-tena (Toulouse, Tarbes-Lourdes, Avignon, Strasbourg,

Evry, Marseille, Lyon, Lille, Paris, Bordeaux, Toulouse, Annemasse, Grenoble, Troyes, Poitiers). Isaorana anareo tamin’ny fiaraha-mientana,

tonga maro.

Indro àry tatitra fohy :

1) Jeri-todika Birao Nationaly (2016 – 2017)

Tanora

Hetsika iray lehibe nokarakarain’ny tanora ny Zaikan’ny tanora ka nahavory 200 tanora eraky Frantsa.

« Fier d’être chrétien car le Seigneur fit pour moi des merveilles » ny lohahevitra novelambelarina tamin’izany. Anisan’ny hestika

nanamarika izany ny fanatontonsana ny « atelier actions et vocations » isaky ny «communauté» ka nahitana fifanakalozana ary nahatonga

ny tanora hanipy ny hetsika « maraude » eraka la Frantsa ahafahana mijoro vavolombelona ihany koa fa mpanara-dia an’i Kristy ka

mihezaka mahafoy tena hoan’ny hafa.

Manasa antsika sahady hanohana ireo tanora maniry handray anjara amin’ny JMJ manaraka izay hotontonsaina any

Panama

ny

22-27

janoary 2019

, hanome vaovao mikasika izany tsy ho ela ny tanora.

« Communication »

Isan’ny ezaka iray lehibe notonsaina nandritran’ity taoana ity ny lafiny fifandraisana. Hitantsika eny amin’ny facebook : Catholique

Malagasy de France izay manome tsy tapaka ny vaovao mikasika ny fiainan’ny ANCMF, misy insta-gram, twitter ihany koa ;

Natao ihany koa ny Fusion site web ANCMF sy JANCMF ka ahitana rubrique maro ary anisan’izany ny rubrique «communauté» izay

ahitantsika ny carte interactif ka ahafantsika mitady vaovao mikasika ny «communauté» rehetra eraky Frantsa. Amin’izany dia manasa

antsika hanome ny vaovao mikasika ny adiresin-damesa, tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny «communauté» na koa site web-nareo

raha mila fanazavana fanampiny ireo izay mila izany. Isika no herin’ity site web, ity ka ny vaovao rehetra tianareo ampita dia afaka atao ao

avokoa.

Efa eo am-panatontonsana ny projet application ANCMF ihany koa ny birao amin’nizao fotoana izao ka hohitantsika tsy ho ela izany.

« Secrétariat »

Mifandray mivantana amin’ireo Délégué région sy tompon’andraikitra voalohany eny anivon’ny «communauté».

Ilaina arak’izany ny fifandraisina tsy tapaka ahafantsika mampivondrona ireo commuanuté tsirairay avy amin’ny alalan’ny hetsika maro

karakarain’ny ANCMF : Zaikan’ny tanora, Zaika-be, Filan-kevitra nasionaly ary Zaikam-paritra.

Ny vaovao azo avy amin’ny commuanuté tsirairay avy dia alefa amin’ny alalan’ny site web sy ny gazety Olombaovao izay miseho isam-

telo volana.

Hoan’ny vaovao rehetra tianareo ampita dia ireto ny adiresy hifandraisantsika

secretariat.ancmf@gmail.com

sy

olombaovao.ancmf@gmail.com

Koa manasa anareo hanendry ireo mpanome vaovao ahamora ny fifandraisana.

P. 9