Previous Page  9 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 9 / 16 Next Page
Page Background

7

Octobre - Novembre - Décembre - 2017

amintsika fa raha misy te hanaraka Azy dia aoka handaha ny

tena sy hitondra ny hazofijaliana. I Masina Maria dia nanana

fandavan-tena ka nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra

na dia nitondrany fijaliana aza.

Teo koa ny nitadiavany an’i Jesoa izay nijanona tao an-

tempoly rehefa niakatra tany Jerosalema izy ireo (Lk 2, 45-46).

Rehefa tsy nahita an’i Jesoa I Maria sy Josefa dia nikaroka azy

satria nahatsapa fa manana adidy amin’ny Zanany. Teo koa

ny fiarahany tamin’i Jesoa sy tamin’ny Mpianatra izay tsapany

sy notazoniny tao am-pony mandrakariva fa

Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa: fampakaram-bady tany

Kana (Jn 2,1-4). Niangavy tamin’i Jesoa izy mba hanala ny

fahasahiranan’ny tompo-pety izay lany divay. Mahita sy

mangoraka ny fahasahiranan’ny hafa izy ka mitalaho

amin’Andriamanitra mba ho afa-pasahiranana. Dia izany koa

no antony hangatahantsika vavaka aminy satria izy ihany koa

no afaka mampita ny hafatra sy ny fangatahantsika any amin’i

Jesoa Zanany. Fa miangavy antsika koa izy mba

hanatanteraka ny Tenin’Andriamanitra isika (Jn 2,5). Izany no

anjara toeran’i Masina Maria eo amin’ny Fiangonana sy ny

fiainantsika. Reny mpiahy ny madinika, ny sahirana ary ny

osa.

Tsapany fa tsy ho azy irery i Jesoa fa ho an’ny olombelona

rehetra ka nanaiky sy nandinika mandrakariva ny Tenin’i

Jesoa izy. Toy ny nilazan’i Jesoa azy hoe “ravehivavy” fa tsy

hoe “mama”, “izay mihaino sy manatanteraka ny sitra-

pon’Andriamanitra no renin’i Jesoa sy ny anabaviny ary

rahalahiny” hoy Jesoa (Mk 3,35) . Mampianatra antsika koa

Masina Maria mba tsy hitazona ny fahasoavana ho an’ny tena

fa hahay hizara amin’ny hafa. Tsy azy irery i Jesoa ka nanaiky

izy fa na renin’i Jesoa aza dia tonga renin’I Jesoa , anabavin’i

Jesoa, rahalahin’i Jesoa koa ireo olona rehetra manatanteraka

ny sitra-pon’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana nijalian’i Jesoa

sy ny nahafatesany dia teo foana i Maria. Nanankinan’i Jesoa

ny Mpianany malalany izy: “Joany indro ny Reninao,

Ravehivavy indro ny zanakao” (Jn 19, 27). Ny tena alahelo

mafy nanjo an’i Maria dia izy nahita ny Zanany maty teo

ambony hazofijaliana ary indrindra izy ilay niampofo an’io

Zanany maty rehefa nesorina teo ambony hazofijaliana io.

Diniho kely ny mahazo ny reny mahita ny menaky ny ainy

maty eo ampofoany!Nanomboka teo koa dia tonga renin’ny

Fiangonana i Masina Maria satria ireo Apostoly no endriky ny

Fiangonana voalohany.

Masina Maria modely ho antsika

Isika kristianina dia manana anjara manana an’i Masina Maria

Reny mpiahy antsika, mpitari-dalana antsika, mpivavaka ho

antsika. Niaina ny Finoana, Fanantenana ary Fitiavana izy.

Tsy vitan’izany ihany fa i Masina Maria koa dia nahita an’i

Jesoa nitsangan-ko velona niaraka tamin’ireo Mpianatra. Fa

tao Jerosalema koa izy nivavaka naharitra niaraka tamin’ireo

Apostoly sy vehivavy sasany (Asa 1,14). Tao amin’ny Senakla

izy ny andro Pantekoty nidinan’ny Fanahy Masina niaraka

tamin’ireo Apostoly. Isika Kristianina Katolika sy ny

Ortodoksa no manome toerana manokana an’i Masina Maria

eo amin’ny Finoana. Tsy mivavaka amin’i Masina Maria isika

fa Andriamanitra irery ihany no hivavahantsika. Fa kosa

mangata-bavaka aminy isika: “Masina Maria

Renin’Andriamnitra mivavaha ho anay mpanota”. Mino ny

Fiangonana fa tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra izy

satria nitondra ilay Zanak’Andriamanitra tsy voakasim-

pahotana sy tsy misy pentina. Koa izany indrindra no

haneken’ny Fiangonana fa nampiakarana any an-danitra

vatana sy fanahy izy araka ny fampianaram-pinoana (Dogma)

nomen’i Papa Pie XII nanomboka ny 1 Novambre 1950.

Izany rehetra izany dia milaza sy manambara ny

anjara toeran’i Masina Maria eo amin’ny Eglizy sy eo amin’ny

fiainantsika kristianina. Maro ny fahasoavana azon’ny olona

tamin’ny alalan’i Masina Maria koa aza misalasala miangavy

azy hanampy antsika sy hivavaka ho antsika mba ho tia

an’Andriamanitra sy ny olona rehetra isika. Maro koa ireo

olona nisehoan’i Masina Maria manokana ary lasa toerana

fanovoizam-pahasoavana izany.

Père Nirhy Jeannot +

Aumônier

de l'Aumônerie Catholique Malgache de Paris (FKMP)

Paroisse St Albert le Grand