Previous Page  2 / 20 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 2 / 20 Next Page
Page Background

Taom-baovao ! Ainga Vao ! Olombaovao !

Ry Mpamaky hajaina !

Miarahaba anareo toy ny masoandro avy Atsinanana izahay : tsy manavaka fa samy

mahazo ny tandrify azy :

Na ny sola loha, vesaran'ny taona.

Na ireo, tanora hazo (azo) hianteherana.

Na izato erotrerony zara fa hahavaky loana !

Eny vaovao ny taona, na dia efa ho dify aza ny am-paha-efany, dia fomba malagasy

ny mifampiharahaba sy mifaniry soa.

Ny tsara sy ny mamy indrindra no hirotsaka betsaka ho antsika mianakavy vangi-

an'ity gazety Olombaovao ity. Hisy ambiny ampy ho zaraina amin'ny manodidina

indrindra fa ny kely indrindra !

Miova andriana hono miova sata, endrika vaovao no hisehoan'ny gazety eny am-

pelan-tanantsika ,antony roa :

Voalohany

dia feno

25 taona

amin'ity taona ity ny gazety

Olombaovao.

Amin'ny

maha – olombelona dia ao anatin' ny hatanorana, isian'ny hery sy tanjaka ahafahana

mamolavola fa indrindra mamokatra sy mitera- boany izao fotoana izao !

Misy jery-todika ny lasa ato izany, ahafantaran-tsika hoe avy aiza isika ka ho aiza !

Fa indrindra ny dinika isan-karazany hitondran-tsika izao gazety izao ho an'ny tara-

naka mandimby.

Raha ny marina mantsy dia ny « Olombaovao » no 25 taona fa ny rohim-pihavanana

nampiray ny Malagasy taty an-dafin'ny riaka dia efa tamin'ny Ady lehibe Voalohany

(1920) no efa nisy ; nitondra anarana samy hafa izany gazety izany.

Faharoa

dia «

Birao

» vaovao entin'ny « Tanora » tsara vosotra sy za-draharaha no

mitantana ny ANCMF.

Arahabaina eto i Patrick RAKOTONARIVO, Filoha vaovao sy ireo mpiara-miasa

aminy.

Ainga Vao , sy Aina Vao e !

Isan'ny toko telo hianteheran'ny

F

iangonana

K

atolika

M

alagasy aty

A

n-dafy ny

gazety hatrany am-boalohany

(Ry Tanora Mpino : taona 1920 = 2000 exemplaires

),

ary ireo filoha nifamdimby teto amin'ny ANCMF dia tsy sasatra nampahatsihahy

an'izany ;

Entanina isika izany handray anjara mavitrika amin'ny fiahiana ity gazety ity, na eo

amin'ny fizarana ny vaovao isaky ny Communautés na amin'ny fanamparihana azy

eo amin'ny manodidina antsika.

Antsoina ny tisrairay ho sahy hiteny :

« IZAHO no hametrahana ny fanantenana »

Io no lohahevitry ny laharana voalaohany ny Olombaovao tamin'ny 1 janoary 1992 !

Izao làlan'ny karemy, hiakatra ho any amin'ny PAKA izao hampihiratra ny mason-

tsika ( masom-panahy sy maso mahita) amin'ireo adidy isan-karazany miandry

antsika :

Ka tsy ho voa-avaka toy ny « osy » isika satria tsy mijery ireo madinika indrindra

amintsika ( Matio 21- 31-46)

Tsy ho voatora-bato toy ireo mpitondra politika, tsy mahalala afa-tsy izay aha-

feno ny kitapony, tsy misy fiantrana ny vahoaka sy fitsinjovana ny Firenena

( Soamahamanina-Befandriana Avaratra).

Tsy ho voatondro molotra toy ireo milaza azy ho kristiana nefa mihamboha ny

fiangonana isan-alahady. Manome bahana an'ireo mpitsikera sy manamora ny

asan'ireo izay mitondra fivavahana mahery vaika !

OLOMBAOVAO ianao ao amin’ny KRISTY !

Mitsangàna ! Dia mandehana !

Jocelyn RABARIJAONA

Rédacteur en Chef

Foi

Notre identité chrétienne

1

Savez

-

vous que

1

Société

Attention dangers !

2

Education & Culture

VODIONDRY

ou Mariage traditionnel malgache

3

Madagascar

DEMOKRASIA ATY AVARATRA,

DEMOKRASIA ANY ATSIMO,

FA INONA NO MARINA ?

4

Dossier

OlomBaovao 25e anniversaire

7

Communauté & Région

SUD : CCMAM (Aix Marseille)

12

Jeunes

Zaikan'ny tanora 2017

-

L'organisation

15

Détente & Loisir

Fanorona

16

Kilalaontsaina

16

Découverte & Tourisme

Un musée du Betsileo

III

NORD : CMZE (Evry)

13

EST : FKMR (Lyon, Rhône)

13

OUEST : ACMA (Bordeaux)

13

EKAR

-

ECM : Havatry ny Eveka

5

Communication

L’Eglise catholique

et les moyens de Communication Sociale

6

Journée Mondiale

des communications sociales

7

OlomBaovao dans l’histoire

7

ANCMF

-

OlomBaovao

-

Zaikabe

8

OlomBaovao

Oser proposer et fédérer les talents

11

EST : Communauté Grenoble

14

OlomBaovao N°114

Premier Trimestre 2017

Publié par

l'

A

umônerie

N

ationale des

C

atholiques

M

alagasy de

F

rance

(

ANCMF

)

Directeur de la publication

:

Père Alphonse ZAFIMAHAKOKO

,

aa

Rédacteur en chef

:

Jocelyn RABARIJAONA

Réalisation technique

:

Rivo RASOLOFOMANANA

Impression

:

Père Giustino BETHAZ

, sj

Abonnement

:

06 03 69 64 31

ou

olombaovao.ancmf@gmail.com

ou

jocyrabarijaona@aol.com http://www.ancmf.com

Facebook

:

ANCMF

A la découverte de Poitiers

14