DEMOKRASIA ATY AVARATRA, DEMOKRASIA ANY ATSIMO,
4
OlomBaovao N°114
Atombotsika amin’ny aty avaratra ny fijery izany demokrasia izany.
Tsiahivina kely fotsiny fa ny teny “demokrasia” dia avy amin’ny teny
grika
dèmokratia
,
dêmos
=vahoaka,
kràtos
=fahefana. Raha fintinina dia ny
vahoaka no tompon’ny “fiandrianana”, avy aminy ny fahefana omeny
ireo hisolontena azy. Mba tsy hisavoritaka ny rindran-damina dia ny
maro an’isa no mitondra fa manaja kosa ny vitsy an’isa. Ny hevitra
fonosin’izany dia manan-jo sy manan-kasina ny isam-batan’olona ka
mendrika ho hajaina. Arovana ny fahafahana miteny, milaza hevitra ;
arovana ny ain’ny olona sy ny fananany eo anatrehan’ny mpanao
herisetra ; arovana ny vondrom-bahoaka eo anatrehan’ny mpananarao-
pahefana. Ireny karazana fokontany, toeram-ponenana fototra ireny no
tsimoka iorenan’ny demokratia. Ny kianja antsoina hoe “agora” no toa
lasa ivotoerana fanehoan-kevitra lehibe. Ny hevitra no ampiadiana, fa tsy
ny olona. Izany no fomba hitan’ny Grika rahefa tojo ny olana politika
rizareo tao Athènes. Vaha-olana ity “demokrasia” ity. Nivoatra tsikelikely
moa izany teo amin’ny tantara. Fa ho jerentsika ny santionan’ny
demokrasia aty avaratra.
Aty avaratra
Ny Amerikanina (
ETATS-UNIS - Etazoania
) no manana ny demokrasia
vaovao sy ela indrindra. Ny volana septambra 1787 no lany ny Lalam-
panorenana amerikanina, ary nankatoa izany tsikelikely ireo Fanjakana
(Etats) miombona ao amin’ilay antsointsika hoe : Etazonia), 13 tany am-
piandohana, 50 izy izao. Rahefa mila fanovàna dia tovanana
(
amendements)
fotsiny fa tsy ny Lalàm-panorenana iray manontolo akory
no ovàna. Mirindra ny tomboantsoan’ny Fanjakana itsirairay sy ny
tombontsoa iombonan’ny Amerikanina rehetra. Tsy misy akory ny tonga
lafatra, fa toy ny voamanga meloka io, ka any an-tenda no manitsy azy,
izay ilay
amendements
. Eo am-pandrasana no ahitana ny atiny. Ary ahitsy
raha tena takian’ny tombontsoa iombonana izany. Hita fa ela loatra ny
nitondran’I Prezidà Franklin D. ROOSEVELT (1933-1945) inefatra voafidy
izy, fa ny faninefany tsy vitany hatramin’ny farany, nodimandry izy. Mba
tsy haharitra ela eo amin’ny fitondrana ny Prezidà iray dia nolaniana ny
tovana faha-22 mametra fa indroa azo fidina ihany ny Prezidà, izay
nankatoavina tanteraka ny taona 1951. Masina ny Lalàm-panorenana ho
an’ny Amerikanina ka tsy azo ovaovana fahantany, fa tsy maintsy
mitsinjo ny tombontsoa iombonana, sy ny fahafahan’ny tsirairay. Ny
tovana voalohany lany tamin’ny taona 1791, tafiditra ao anatin’ilay
antsoina hoe tovana folo momba ny Fanambarana fanajana ny Zo
(Bill of
Rights
) dia manamafy ny fahalalana ara-pinoana, maneho hevitra na
ankalamanja, na an-gazety. Velona ahiahy ny maro rahefa voafidy teo I
Donald TRUMP. Malaza ho miteniteny foana, tsy ampy traikefa politika
sns… Ny azo antoka anefa dia manana arofanina ny Amerikanina dia ny
Lalàm-panorenana, gazety malalaka, Fitsarana mahaleotena. Raha
manana zo hanao
veto
eo amin’ny lalàna iray ny Prezidà, dia manana zo
kosa hanala azy ny olom-boafidy ao amin’ny Kongresy amin’ny alalan’ny
“impeachment”
. Fanapahan-kevitra goavana anefa izany ka tsy ataotao
foana. Ary satria sarotiny amin’ny fahafahany ny Fanjakana tsirairay avy
dia tsy fifidianana mivantana (Suffrage Universel Direct) no misy fa
amin’ny alalan’ny delege
(solontena
) ka mifidy izany any ifototony ny
vahoaka rehetra
(Caucus sy Primaire)
, Fanjakana isam-panjakana, miafara
amin’ny “mpifidy lehibe” (grands électeurs) izay mifidy mivantana ny
Prezidà amerikanina. Antoko roa lehibe no mifandimby hatramin’izao dia
ny Républicains sy Démocrates. Izay manana mpifidy lehibe 270
farafahakeliny amin’ny mpifidy lehibe 538 amin’izy ireo no mandresy, fa
tsy ny be vato akory raha araky ny fifidianana mivantana mahazatra
antsika.
Ho jerentsika koa ny zavatra nitranga iray taty avaratra dia ny tany
Espagne, izay nanao fifidianana indray ny jona 2016. Nifidy depote
rizareo ka izay Antoko mahazo depote antsasa-manila (+50%) no
manolotra ny Praiministra ho tendren’ny Mpanjaka, izany hoe 176/350.
Ny Antoko ankavanana Parti Populaire (PP) no nahazo depote 137 raha
134 tamin’ny desambra 2015, izay eo amin’ny fitondrana, ary ny Sosialista
85 raha 90 tamin’ny desamabra 2015. Tsy ampy antsasa-manila indray
izany ka nandefitra ny Sosialista satria efa niverina indroa ny fifidianana
ka tsy te hamerina indray ny vahoaka hifidy rizareo. Ingahy Mariano
RAJOY no lasa voatendry Praministra. Ny Sosialista efa nilaza fa tsy
mandray anjara amina governemanta iraisana, ary tsy manohana ny
politikan’ny PP. Tsy misy mamadika palitao izany e, na vidim-bola koa.
Ny L.alam-panorenana no hajaina. Ny sisa fahaizana politika mitandro ny
tomboan-tsoan’ny Firenena espagnola. Raha Antoko politika roa PP sy
Sosialista no nifandimby teo amin’ny Fitondrana tany Espagne dia efa
misy Antoko fahatelo misongadina izao dia ny PODEMOS. Ny aty
Frantsa moa dia hifidy Prezidàn’ny Repoblika ny volana Avrily/May.
Ary Depote ny volana Jona. Efa fantatra mazava mialoha ny datim-
pifidianana fa tsy kisendrasendra politika akory. Fa hojerentsika ny any
Atsimo.
Any Atsimo
Afrika no jerentsika. Nisy ny
D i n a n ’ n y F i o m b o n a m b e
Afrikanina (Union Africaine UA)
momba ny demokrasia na
Charte
africaine de la démocratie, des
elections, et de la gouvernance
,
lany ny volana janoary 2007, ary
manomboka manan-kery ny volana febroary 2012. Io Dina io dia manome
fahefana ny Conseil de Paix et de Sécurité-ny UA hanasazy ireo Firenena
tsy manaja ny Lalàm-panorenana. Maro ireo Firenena afrikanina niatrika
fifidianana na tokony hiatrika fifidianana fa lasa sangodim-panina
miteraka korontana ny sasany. Ary saika ny Lalàm-panorenana mihitsy
no tsy voahaja. Fomba tsotra no ampiasaina amin’izany dia ny fanovana
Lalàm-panorenana mba hijanona izay ela indrindra eo amin’ny
fitondrana. Ny tao Burundi ny Lalam-panorenana 2005, tsy mamela ny
Prezidà hilatsaka hofidiana mihoatran’ny indroa. Nisy tery vay manta
natao ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana mba hanaiky ny
fanovana ny Lalàm-panorenana. Niteraka korontana sy rà mandriaka
izany ny 2015. Nandositra any ivelany na miery ireo mpanohitra. Lany
fanintelony ny Prezidà Pierre NKURUNZIZA, ary afaka mijanona eo izy
Ny fifidianana ara-dalàna, malalaka, ary mangarahara no fototra voalohany iorenan’izany demokrasia izany.
Toa izany fifidianana izany anefa no antony voalohany iaingan’ny olana ao amina Firenena iray. Akoso-
bolamena, mamiratra jerena fotsiny. Samy miambo sy mitaky ary mangataka fifidianana daholo anefa ny mpanao
politika. Inona no antony ? Fanadihadiana.
GAMBIE
: André BARROW, nandresy
mazava tamin’ny fifidianana Filohan’ny