Previous Page  5 / 20 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 5 / 20 Next Page
Page Background

NDRY OU MARIAGE TRADITIONNEL MALGACHE

3

Mars

-

Avril

-

2017

misy fampisehoana an-dampihazo fohy entina mampivoatra ny soatoavina malagasy dia ny VODIONDRY izany.

mahazoa vady iadanana ô ! Ary ho toy ny railovy, mandeha mitondra hafatra, mipetraka mandrotsy an-tsioka.

3-Voix off : Réponse de la famille de la jeune femme et demande de

promesse d’amour au jeune homme

Rhéteur de la jeune fille

:

Faly sahirana tokoa izahay tompoko, tahaka ilay

bevohoka nanao kamban-telo, ny kibo nitoerana antonona ihany fa ny nono

hampinonoana azy no tsy ampy. Ny tianay hambara dia izao : zava-dehibe

loatra tompoko ny fanambadiana ka tsy azo ohanina ambolony ary tsy azo

atao ankifonfono toa varo-boanatsindrana, koa hoy izy ireo hoe mba

hadihadio ihany aloha ny momba ny fitiavan-dratovolahy : « Fa raha tiana ho

tody ny laka-nitana, ny tevi-damosiny no ndeha ho zahana – raha tiana

hateza ny lamba fitafy ,tsongoy izany tenony fa ndrao dia tsy mafy ary raha

tiana hateza ny fanambadiana ,ny tokim-pitiavana hanontaniana ».

Rhéteur du jeune homme

:

Gaga ihany zahay tompoko raha nandre ny

fanontanianareo , toy ny zanak’akoho nopaoham-papango, saika ho tezitra

nefa talanjona, tovolahy ve no hampaka-bady ka hanontaniana fitiavana. Koa

ny fitiavan’i Koto an’i Raivo hono tompoko, dia toy ny fitia lamba landy, eto

an-tany tsy mifandao, any am-pasana tsy mifanary ary any an-danitra aza

mbola hiaraka hatrany. Matokia ianareo tompoko fa sady tovolahy tia izy no

tsy mihamboho adidy ihany koa; toy ilay lehilahy miloloha tantely, mibaby

akondro, mitehina fary, manao am-paosy vatomamy ka mamy avokoa ny eny

aminy.

Chant a capella:

« Tiana ianao » (lehilahy)

:

Anô manangy e, tiako anao (bis)

Izaho nandry alin’ingny e, nanonofy anao

Nifohazako maraindrainy e, alaiko anao

Chœur 2 fois : Anô manangy e, tiany anao (bis)

Izy nandry alin’ingny e, nanonofy anao

Nifohazany maraindrainy e, alainy anao (répéter 3 fois lors de la 2

ème

répétition)

4-Voix off : Rituel de la « croupe du mouton », le rituel fait honneur à

ceux qui ont donné la vie à la jeune fille et réponse de la famille de la

jeune fille

Rhéteur du jeune homme

:

Koa ankehitriny ary dia tsaroanay ilay

fitenenana manao hoe : ny mihinan-kena tsy lasam-bola hono mihinana

an’eritreritra, ny mitafy lamba tsy lasam-bidy mitafy amin’ny henatr’olona

ary ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry henatra amin’ny fiaraha-monina. Koa

indro tonga ny fotoana anoloranay ny vodiondry tompoko. Ankehitriny tokoa

moa dia efa nosoloana vola izany ka nataonay ato anatin’ny saron’ankarona

ity, izay marik’ilay nofon-kena mitam-pihavanana sy vato fanorenana ny

fanambadiana ary hajam-bolana ho an’ny ray amandreny. Tsintsina mitondra

voantenina tompoko koa izay zakan’ny vava no nentina; sahaza ny tana-

manolotra fa tsy antonona anareo ho tolorana. Atolony ampitiavana hono

tompoko ka raiso ampitiavana !

Musique et danse : « Mandihiza rahitsikitsika »

5-Voix off : Remerciement pour la remise de la « croupe du

mouton » et demande pour faire entrer la fiancée

Rhéteur de la jeune fille

:

Raha ravo ny saina, velon-tsiky ny tarehy ary

diavolana ny fo, manjelanjelatra ny maso ; raha faly ianareo tamin’ny

nanomezanay ny zatovovavy, dia diboky ny haravoana izahay tamin’ny

nahazoana an-drazazalahy ho zanaka satria , fon-jazalahy natakalo fon-

jazavavy tokoa ka ramatoa indray no anareo ary andriamatoa anay. Koa

mionera be tompoko ny lany, hanao tahaka ny laingom-boaloboka lohataona

tsongoina vao misandrahaka, mason-dandin’Imamo tohinina vao bary maso.

Rhéteur du jeune homme : Eny tompoko tsy asiana resaka lava intsony ny

amin’izany fa i Koto efa sasa-miandry ny olon-tiany ; i Raivo koa any efa

mitsanga-mitoetra, te-handre ny dinidinika nifanaovantsika ary te hitositosy

eo anilany ilay olon-tiany. Koa ampandrosoy amin’izay izy tompoko.

6- Voix off : S’en suit un défilé de jeunes filles jusqu’à l’arrivée de

la promise

Chant a capella :

« Tiany ianao »

(ilay vehivay eo no mamaly)

Anao lehilahy e, tiako anao (bis)

Izaho nandry alin’ingny e, nanonofy anao

Nifohazako maraindrainy e, za hanaiky anao

Chœur 2 fois : Anao lehilahy e, tiany anao (bis)

Izy nandry alin’ingny e, nanonofy anao

Nifohazany maraindrainy e, izy hanaiky anao

(répéter 3 fois lors de la 2

ème

répétition)

….Nalainy anao_nalainy e_nalainy anao nalainy e

7-Voix off : Remise de la bague à la mariée , bague qui signifie

l’amour entre les deux époux et qui est aussi un signe qui les

légitimise au yeux de la société et fin de la cérémonie. L’or symbolise

l’amour inaltérable, capable de défier le feu et l’acide ; la pierre

symbolise l’amour solide comme bâti sur un rocher.

Rhéteur de la jeune fille

:

Efe renao teo ry Raivo fa natolotr’i Koto ny

vodiondry, ho hajam-bolana sy solom-bambena ho an’ny ray amandreny.

Ianao koa anefa tsy adinon’i Koto fa nitondrany an’io amboaram-boninkazo

io, ary ao no nametrahany ilay fanomezana sarobidy nentiny ho anao. Dia tsy

inona izany fa ilay pera-bolamena miankotso vatosoa, ho mariky ny fitiavany

vita sedra, tsy miova toy ny vato natelim-boay ka atelina tsy mety lo, aloa tsy

miova tarehy. Koa miangavy anao mba hisahirana kely hitady azy fa ao no

nametrahany azy. Asehoy ho hitan’ny rehetra rehefa hitanao. Raha sendra tsy

hitany moa dia ampio izy ry Koto fa aza avela hiady irery fa mahaiza

mifarimbona fa toy izany ny fiainana.

Rehafa hita dia apetraho eo amin’ny ratsantanany manara-poana an-

kavia fa io no akaikin’ny fony ka lazao hoe

: ” ity peratra ity no

porofom-pitia, ka hatsiarovako anao amin’izao rehetra izao – koa

atolotro ity peratra ity –porofon’ilay foko tena tia – ka ny

fiainantsika roa - ho toy ny lamban’akoho – na amin’ny ratsy na

amin’ny soa”.

8-Voix off: S’en suit la fête pour conclure

Musique et danse : « Afindrafindrao ».

Toulouse, le 23 février 2017

Etienne RAKOTOSON